Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny 31 mey teo, fa hatonta any Turquie ny vola madinika 50 Ar hatao volamena. Voalaza fa “famoaham-bola vonjimaika ihany ity fepetra ity, fa haverina eto Madagasikara ny volamena rehefa vita ny fanontana azy », izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taona ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Ho raisin’ny fanjakana an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanondranana entana mankany ivelany mikasika ny fandefasana ny volamena hanamboarana ireo vola volamena ireo.
Tsiahivina fa tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, ny 17 mey teo ny fanontana ny vola volamena 50 Ar ho mari-pahatsiarovana ny BFM. Fomba iray hitahirizana sy hiarovana ny vakoka izy, hitahirizana ny volamena sy hahafahana mivarotra azy raha sendra krizy ihany koa. Na koa fananana tahiry azo ampitaina amin’ny taranaka fara aman-dimby. Mamoaka vola madinika volamena ny firenena iray ho fahatsiarovana na koa hanamarihana hetsika manan-danja iray. Hanana tombam-bidy ara-dalàna araky ny voafaritry ny didim-panjakana ireo vola madinika ireo. Hamidy, araka ny vidin’ny volamena eo amin’ny tsena iraisam-pirenena sy araka ny fepetra faritan’ny BFM.
Henintsoa H.