Acmil Antsirabe : zazavao 107 naseho ambany faneva

Tontosa ny fanolorana ambany faneva ireo miaramila zazavao miisa 107 mirahalahy avy amin’ny antokon-taona 2022/2, tao amin’ny Akade­mia Miaramila Antsirabe, afakomaly. Nahavita fiofanana fototra ara-miaramila na ny « FETTA » nandritra ny telo volana izy ireo. Haharitra roa taona kosa manomboka eto ny fanompoam-pirenena miandry ireto miaramila zazavao ireto. Maneho sahady ny fa­nompoam-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana ny fanoloran-tena ataon’izy ireo hiasa eo anivon’ny Tafika izao. Nanatrika ny lanonana ny kaomandin’ny ACMIL, ny Jly Pikulas Démosthène, notro­nin’ireo tomponandraikitra ambony ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: