Banky mankany amin’ny MVola : maimaimpoana ny fandefasam-bola

Tolotra vaovao ho an’ny mpanjifa. Maimaimpoana ny fandefasan’ny olon-tsotra vola avy any amin’ny banky mankany amin’ny kaonty MVola, nanomboka ny 1 jona 2023 teo. Etsy ankilany, na­hena ho 1%-n’ny vola alefan’ny mpanjifa tsotra avy any amin’ny kaonty MVola mankany amin’ny kaonty banky, raha 2,5% no nalaina tany aloha.
Ankoatra ireo, mahazo fihenana hatrany amin’ny 60% ny orinasa sy ny mpanjifa ambongadiny amin’ny sarany, ary ho tokana ny sarany alaina ho an’ireo handefa MVola mankany amin’ ny banky na koa ny mifamadika amin’izay.
Tsiahivina fa miisa enina ny banky mifanaraka amin’ny MVola eto Madagasikara, ny BNI, ny BOA, ny BMOI, ny Société générale, ny Bao­bab banque ary ny MCB. Tan­jona, ny haha tsotra ny fifanakalozam-bola ataon’ny mpanjifa, haingana ary azo antoka.

Njaka A.

Partager sur: