Tsy afa-bela indray ny ekipa malagasy Ankoay, nanoloana an’i Brésil, omaly, tany Vienne, Autriche, ao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety 3×3. Efa hita ny ezaka nataon’i Livio sy ny namany, saingy mbola tsapa ny tsy fahampian’ny traikefa ka niondrika tamin’ny isa 17 no ho 20 izy ireo. Mbola nisy ny lalao nifanandrinana tamin’ny ekipan’i Frantsa, natrehan’ireto solontena malagasy ireto, omaly alina, saingy tsy mbola voaray eto am-pelatanana ny vokatra. Azo lazaina ho efa tapitra hatreo, araka izany, ny lalan’ny Ankoay amin’ity “World Cup 3×3 ity”.
Mi.Raz