Cntemad : mampisavorovo ny mpianatra ny fikirakirana ny naoty

Miteraka savorovoro teo amin’ny mpianatra ny naoty miverimberina mandritra ny fanadinana voalohany sy faharoa. Nilaza ny teo anivon’ny sekoly fa misy ny lamina amin’ny fikirakirana izany.

Nifampitaona teny Be­horirika ka niresaka tamin’ny mpanao ga­zety ny solontenan’ireo mpianatra eo anivon’ny ivontoeram-pampianara ambony (Cntemad) Ankadifotsy, oma­ly.
«Tsy araka ny tokony ho izy ny naoty nivoaka taorian’ny fanadinana nataonay. Tsy mandroso sy tsy mahay mihi­tsy ve izany izahay nefa efa misy miverina kilasy fanindroany ?», hoy ny solonte­nan’ny mpianatra. Nilaza izy ireo fa tsy ampy 0.1 sy 0.33 ary 1pt ny naotin’ireo mpianatra ka antony tsy mampisondrotra kilasy azy ireo hatrany.
Manoloana izay, nilaza ny tale nasionalin’ny Cntemad, Dr Andriamirado Lalah Chris­tian, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety teny Fiadana­na, omaly fa : «Nilaza ny tsy afa-po tamin’ny fikirakirana ny naoty miverimberina ireo mpianatra ka antony nahatonga ny savorovoro ho an’ny mpianatra. Misy ny torolalana tsy maintsy arahina amin’ny fikirakirana ny naoty eo anivon’ny sekoly amin’ny alalan’ny Bénéfice de note (BNS) ».
Andraisana ny naoty am­bony mandritra ny fanadinana indroa ataon’ny mpianatra izany ka mahatonga ny ahia­hin’ny mpianatra amin’ny tsy fiovan’ny naoty. Nilaza izy fa tsy maintsy mahafeno ny 75 % amin’ireo 60 crédits mandritra ny taona ireo mpianatra L1, L2 ary M1. Tsy maintsy mahafeno 100% kosa ho an’ny mpianatra L3 sy M2 vao mahazo diplaoma sy mifindra kilasy. “Tsy mamerin-taona na tsy ampy 0,1 pt ary ny naoty mba hahafahana mitazona ny fahaizan’ny mpianatra sy ny kalitaon’ny diplaoma, hoy hatrany izy. Tsy mitsahatra mifampiresaka ny mpampianatra sy ny mpianatra eo anivon’ny sekoly raha misy ny olana toy izao, raha ny fanazavana. Takina anefa ny fisavana sy fampitoviana ireo naoty ao anatin’ny taratasim-panadinana sy ny “relevé de note”. Nohama­fisiny fa mamotika ny hoa­vin’ny mpianatra ny fanamboarana ny naotin’izy ireo.

(mpianatra asa)

Partager sur: