Faha-5 taonan’ny Randram-peo fiderana : raikitra ny “Méga concert évangélique”

Hotanterahina ny alahady 4 jona izao, eny amin’ny Coliseum Antsonjombe, ny “Méga concert évangélique”, fankalazana ny faha-5 taonan’ny antoko mpihira mitambatra Randram-peo fiderana. Teny faneva amin’izany : “Ka ho reharehanay ny fiderana anao”. Ho­tendre­na amin’izany avokoa ny hira rehetra raha hisahana ny fanamafisam-peo sy ny lampihazo ary ny jiro sy ny “Tableau électronique” ny Andnoum. Hian­jaika ny fanamiana vaovao hitambarany izy ireo amin’izany. Hamidy amin’io fotoana io koa ny “Clip Rindran-kira 1” sy ireo kojakoja samihafa “articles” an’ny Randram-peo fiderana. Eo koa ireo CD sy DVD…
Hoentina manatanteraka ny fandraisam-peo sy ha­naovana rindrantsary. Hano­manana koa ny “Tournée évangélique”, hataon’ny Randram-peo fiderana any Toamasina amin’ny taona ho avy ny vola azo amin’ny alalan’ny vidim-pidirana amin’io hetsika io, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, tetsy amin’ny FJKM Isotry Fitiavana, omaly.
Tsiahivina fa nitambatra nanomboka ny marsa 2018 ny Randram-peo fiderana rehefa nifanaiky ireo “Chef de chœur” avy amin’ny antoko mpihira miisa dimy tamin’izany. Ahitana ny avy amin’ny FLM sy ny FJKM izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: