Lasa fanamby etsy sy eroa ny filazana fa « Volana jona, volan’ny teny malagasy. Hiteny sy hampiasa ny teny malagasy ranoiray tsy misy fangarony izahay » ! Samy ahenoana na ahitana io avokoa na ny any an-tsekoly na any anivona toeram-piasana… Toa midika avy hatrany fa isan’andro, sady tsy manaja ny teny malagasy no fatra-pamingavinga sy tsy manome hasina ny teny malagasy ny Malagasy tompony. Toa tsy misy lanjany amin’ny Malagasy intsony ny teny malagasy. Tsy tsaroany akory fa matoa io no teny hifampiresahany, dia io izany no fitaovana voalohany hampifamatotra azy amin’ny hafa (olona, zavaboahary, Zanahary…). Miha manalavitra ny teniny ny Malagasy. Noho izany, hivaha miandalana ilay fifamatorana amin’ny hafa. Anisan’ireny ny firaisankina, ny fihavanana, sns !
HaRy Razafindrakoto