Fandehanana mafy : zazavavy 9 taona maty voafaokan’ny kamiao

Tsy nanampo na inona na inona, maty tampoka nodomin’ny fiara teny an-tsisin-dalana ny zazavavy mpianatra iray. Hamonjy fodiana izay no tra-doza tao Ambositra, omaly.

Nirava avy nianatra, niharan-doza tampoka ka namoy ny ainy ny zazavavy iray 9 taona tao Atsinanan’i Vinany, Ambo­sitra I, omaly tamin’ny 11 ora sy fahefany. Nanaraka ny si­sin’ny arabe, tany amin’ny ankavanan’ny kamiao no nisy ity mpianatra ity. “Nandeha mafy anefa ny mpamily ka nifaoka ilay zaza”, hoy ny fanazavan’ny zandary ao Ambositra. Nipitika avy ha­trany ilay zaza. Vokany, naratra mafy izy ka nentin’ireo nanatri-maso namonjy hopitaly. “Niezaka nanavotra azy teny amin’ny toeram-pitsaboana ny nanatri-maso saingy tsy tana intsony ny ainy”, hoy hatrany ny fanamafisan’ny mpitandro filaminana. Voa mafy teo amin’ny lohany sy ny tratrany ity zazavavy ity ka nitarika ny fahafatesany. Nikasa haka solika teo amin’ny tobin-dasantsy tsy lavitra teo moa ity kamiao namoa-doza ity. Notanana atao fanadihadiana ilay mpamily ary naiditra am-balampamonjana ny kamiao. Natolotra ny fianakaviany kosa ny vatana mangatsiakan’ilay zaza. Nomarihin’ny zandary ao an-toerana fa tokony hanaja hatrany ny hafainganam-pandeha ireo mpampiasa lalana, indrindra rehefa anaty tanàna hisorohana ny loza tahaka izao.

Tsiferana R.

Partager sur: