Fitsidihana tsena : neken’ny ben’ny Tanàna ny fangatahan’ny mpivarotra

Nidina ifotony nijery ny zava-misy teny amin’ireo tse­na (Andrefan’i Mananjara sy Ankadimbahoaka ary Tanjom­bato) ny ben’ny Tanànan’An­tananarivo Renivohitra, oma­ly. Nanararaotra nitaraina sy nangataka zavatra maro amin’ ny tokony hanatsarana ny fotodrafitrasa eny anivon’ny tsena ireo mpivarotra sy ny mponina nandritra izany.
Neken’ny ben’ny Tanàna ny fangatahana sy fitarainan’ izy ireo, nandritra ny fihaonana. “Tsy andraikitry ny kaominina irery ihany ny fanatsarana ny tsena fa mitaky fandraisan’andraikitry ny mpivarotra ihany koa”, hoy ny ben’ ny Tanànan’Antananari­vo Renivohitra, Andriantsito­haina Naina. Nilaza sy nampanantena ny hanorina “bloc sanitaire” ho an’ny mpivarotra eny Tanjombato ihany koa izy.
Samy nanana ny fitarainany sy ny fangatahany ny teny anivon’ny tsena tsirairay avy, raha ny zava-misy. Anisan’ny olan’ny mponina sy ny mpivarotra eny amin’ny tsena Andrefan’i Mananjara ny tsy fahampian’ny jiro ka miteraka tsy fandriampahalemana, raha ny fanazavana. Nangatahan’ izy ireo, noho izany, ny ha­nampiana jiro sy hanatsarana ny tsena ary hanamboarana fotodrafitrasa noho ny fiakaran’ ny rano eny anivon’ny tokantrano rehefa amin’ny fotoan’ny fahavaratra. Ankoatra izay, nangataka ny hananganana toeram-pidiovana sy hanasiana jiro sy rano kosa ny eny amin’ny tsenan’Ankadimba­hoaka. “Tokony hamboarina ny tsena mba hanara-penitra sy hanana ny lanjany satria anisan’ny tsena manan-tantara sy ela niorenana ny tsena eto an-toerana”, hoy ny filohan’ny delegen’ny mpivarotra.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: