Handball-IHF Trophy Zone6 : nomen’ny MJS valin-kasasarana ny Akio

Noraisin’ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan­tena, Resampa André Haja tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, ny ekipam-pirenena malagasy Akio handball, sokajy cadette sy junior izay avy niatrika ny “IHF Trophy Africa-Zone 6”, natao tany Afrika Atsi­mo. Notoloran’ny minisitra fisaorana sy valin-kasasarana izy ireo tamin’ny vokatra tsara azony, ka nanandratana avo ny voninahi-pirenena. Raha tsiahivina, tompondaka ny Akio, na ny sokajy cadette na ny sokajy junior nandritra ny fifaninanana ka nitondra ny amboara nody an-tanindrazana. Nahazo ny tapakila handraisana anjara amin’ny fiadiana ny amboara mandritra ny lalao kaontinantaly izay hotanterahina tsy ho ela ihany koa izy ireo.
Nampirisika ny hanohizana hatrany ny ezaka ary nampanantena fa vonona ny hanohana azy ireo amin’ny dingana hatrehan’izy ireo manaraka mba hamiratra hatrany sy hi­tondra vokatra tsara, ny fitondram-panjakana. “Isaorana ny fitondram-panjakana ma­nome lanja ny tanora sy ny fanatanjahantena”, hoy ny nambaran’ny minisitra Resampa André Haja.
Tetsy ankilany, nitondra ny teny fisaorana ho an’ny minisitra, izay angady nananana sy vy nahitana izao vokatra izao, Raherihari­jaona Regina Clarisse, filohan’ny Federasiona malagasin’ny handball.

Mi.Raz

Partager sur: