Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray nikasa handroba Cash point, tetsy amin’ny fokontany Androndrakely, Ivato, ny 31 mey teo. Narahin’ity jiolahy ity maso ny mpiasa amina Cash point iray handeha hody. Tsy naharaka na inona na inona, araka izany, ilay nitondra ny vola. Poa toy izay, nofaohin’ilay tsy mataho-tody ny sakaosy nisy ny vola sy ny finday. Nirifatra nandositra izy. Tsy lavitra teo anefa nisy zandary nanao fisafoana. Naharaka ny fihetsik’io mpanendaka io, izy ireo. Raikitra avy hatrany ny fifanenjehana. Vokany, tratra tsy lavitra ny toerana nanendahany ilay olon-dratsy. Sarona teny aminy avokoa ny vola sy ny finday saika halainy. Naverina tamin’ilay mpiasa amina Cash point izany. Nentina natao famotorana kosa ilay voasambotra.
Tsiferana R.