Natao, omaly, ny atrikasa hanamafisana ny fahaiza-mitantana amin’ny fikojakojana ny lalana sy ny tetezana eto Madagasikara. Manohana azy ny Fiaraha-miasa ho an’ny fampandrosoana japoney (Jica). Nisolo tena ny minisitera, ny sekretera jeneraly (SG) ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), Sambisolo Emile Joseph, ary ny avy amin’ny Jica, ny solontena maharitra eto Madagasikara, Rtoa Tanaka Kaori. Fivoriana fahefatra ity natao ity, nataon’ny vaomiera iombonana mpandrindra (CCC) ny tetikasa fampiroboroboana ny fahaiza-mitantana ny fikojakojana ny lalana sy tetezana (F3LTM) eto amintsika. Nandray anjara tamin’ny fotoana koa ny Antokon-draharaha ho an’ny lalana (AR), ny Ivontoeram-pirenena ho an’ny fotodrafitrasa (ININFRA) ary ny Laboratoara nasionaly mikasika ny asa vaventy (LNTPB).
Nilaza ny SG-n’ny MTP, Sambisolo Emile Joseph, fa natao ity atrikasa ity, hamoahana tahirin-kevitra, mikasika ny fikojakojana sy ny fanarenan-dalana. Eo koa ny hamoahana paikady ahafahana mamantatra ny endriky ny lalana arakaraka ny fivoaran’ny fotoana. Nanamafy izany ny avy amin’ny Jica, nilazany fa tanjona, ny hampitomboana ny hatsaran’ny lalana, sady hikojakojana azy ireny ara-potoana, izay tsy maintsy hatao.
Hisy atrikasa fanindroany hanolorana ny fehin-kevitra nivoaka sy ny vokatry ny asam-baomiera isan-tsokajiny tamin’ity natao omaly ity.
Njaka A.