Nanana taranaka vanona ny Malagasy : mpanabe azo antoka ny reny tompon’ny tokantrano

Ho tonga tsy ho ela ny « Fetin’ny Reny ». Na fombam-bahiny aza izy io, efa zary ankalazain’ny Malagasy ihany koa… Nanana ny toerana nametrahan’ny ankohonana sy ny fiarahamonina azy ny reny fahiny, noho ny fandraisany anjara goavana amin’ny fanabeazana ny taranany ho tonga olom-banona any aoriana.

Tsy marina ny filazana fa mpanao ankilabao ny vehivavy na ny reny ny fiarahamonina malagasy. Lainga nafafin’ny mpanjanatany hoenti-mamotika ny kolontsaina malagasy sy ny rafi-piarahamonina nisy teto izy io. Fantatry ny Malagasy tsara fa loharanon’ny taranaka ny vehivavy, noho izany, nomeny lanja sy hasina manokana raha mi­taha amin’ny lehilahy. Ny reny no kitapo nifonosana hiantsoroka ny fanabeazana ny taranany rehefa mby amin’ny fotoana hahaterahany ny zaza. Lamina voajanahary narahin’ny fiarahamonina malagasy ny fa­metrahana ny vehivavy ho mpanabe azo antoka ho an’ny taranany. Raha lohan’ny tokantrano ny ray, tompony kosa ny reny. Izany hoe, mahafantatra amin’ny antsipirian’izay zava-mitranga ao.
Ny fananan’ny Malaga­sy io kolontsaina io no nahatonga azy nanana taranaka vanona, tia fahamarinana, natahotra an’Andriamanitra, mandala ny rariny sy ny hitsiny, sns. Izay ilay vokatry ny fanabeazana nomen’ny reny ny zanany. Ny fahalalana ireny rehetra ireny no nahatonga ny Malagasy na­metraka azy ireo eo anilan’ny zanany mandrakariva. Izany hoe, tsy midika ho fanambaniana na ho fanaovana tsinontsinona sy fanilikilihana ny vehivavy akory ny antony nametrahana ny vehvavy ao an-tokantrano fa hikendrena ny hananana taranaka vanona.

Niova tsikelikely ny « isan-dreniny »

Tsy azo hadinoina fa teo amin’ny rafi-piarahamonina malagasy fahagola manaraka ny lamina voajanahary, ny vehivavy na ny reny no mpitahiry na mahatahiry ny momba ny tokantrano mitohy mankany amin’ny fianakaviana. Fantany ny fomba amam-panao, tantara, sns. Noho izany, rehefa misy adidy efaina, notanana hatrany ny fizarana izany ho isan-dreniny. Tranga manamafy fa nomen-kasina ny reny.
Mba hahafahan’ny mpanjanaka mamotika ny maha izy azy ny firenena iray, ny fomba amam-panaony sy ny kolontsaina no «nolotoina» voalohany. Tsikaritry ny vahiny izay fahavanonan’ny taranaka malagasy tinaizam-bevivavy izay ka nataony izay ha­nasarahana ny zanaka ta­mim-behivavy (Reny). Nafa­­fy avokoa izao hevitra heverina fa haharesy lahatra vehivavy malagasy izao mba hahatsapany sy hampanaiky azy fa latsa-danja manoloana ny lehilahy izy. Natao ho fitaovana tamin’izany ny zo, fianarana, miralenta…
Nihavotsotra tsikelikely teo am-pelatanan’ny vehivavy ny fitaizana ny taranany, hany ka zary tsy vanombanona ny fanabeazana azon’ny zaza malagasy. Izay vitan’ny mpampianatra any an-tsekoly sisa no ianteherana. Lesoka goavana anefa izay satria marobe amin’ny sekoly eto Madagasikara no tsy manana « mpanabe » fa manana « mpampianatra » be diplaoma. Nanjary nanana «zaza ratsy taiza » ny fiarahamonina malagasy sy i Madagasikara, hany ka mora ho an’ny mpanjakazaka an-tanin’olona ny nividy ny fanahin’izy ireny.

Mbola Reny ve i Neny ?
… Fatra-panaja ny reny ny Malagasy fahiny hany ka tsara taiza sy mahalala fomba ny taranany. Anke­hitriny, tsy tazana loatra intsony izany. Mitsoaka tsikelikely ao anatin’ny «firenena» ilay fototeny «reny»… Satria, misy amin’izy ireo aza no sahy mamono ny zanany raha mbola any am-bohoka (manala zaza). Misy ny sahy manary any an-tatatra ny sombiniainy !
HaRy Razafindrakoto

Partager sur: