Fetin’ny reny ny alahady 4 jona ho avy izao. Ankoatra ny efa mahazatra ny mpianakavy, anisan’ny fanomezana azo hatao ho an’ny reny ihany koa ny fampisehoana. Antony iray hanoloran’i Njakatiana sy i Bodo ny “Amboaran-kira ho an’i Neny io. Fampisehoana goavana, hotontosaina etsy Antsahamanitra izy ity, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro.
“Homentsika fitiavana manokana ireo reny. Na izany aza fetin’ny mpianakavy izy ity”, hoy ny filazan’i Njakatiana anatin’ny “video” fanentanana nataony.
Tohin’ny fankalazana ny faha-25 taona an-tsehatra kosa ny seho ho an’i Bodo. Anisan’ny nanamarika azy nandritra izay ny tsy mba nanadinoany ny reny, ka saika nanolorany fampisehoana toa izao hatrany.
Efa zatra miaraka an-tsehatra i Bodo sy i Njakatiana. Efa maro ihany koa ny fampiaraham-peo notontosain’ireto mpanakanto ireto. Mbola andrasan’ny mpankafy hatrany izany, antony nironan’ny mpikarakara nisafidy ireto andrarezina ireto. Raha ny fanazavana, samy hisafidy hira hatolotra ny mpijery ny tarika roa tonta. Hisy ampaham-potoana lavalava kosa iarahan’izy mianadahy an-tsehatra, hampiaraham-peo.
Zo ny Aina