Tsy an’ny antitra irery! Efa voaporofo fa maro ny tanora no liana amin’ny teatra, ary maro koa ireo mpisehatra amin’izao fotoana. Vitsy kosa anefa ny seho teatraly ary vitsy toa izany ny toerana ahafahan’ny tropy milalao. Tsy nataon’ny Tropy Jeannette ho sakana izany hatramin’izay, fa nitady hevitra hatrany izy ireo hampitiavana sy hampanakaikezana ny teatra amin’ny vahoaka.
Fantatra fa hisehatra ankalamanjana, etsy amin’ny tokontany malalaky ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo ny tropy, ny 18 jona ho avy izao. Hasehon’izy ireo mandritra izany indray ny “HM”, sanganasan-dRakoto de Monplaisir. Efa tamin’ny taona 1938 no nivoaka ity piesy ity, saingy mahaliana hatrany ny mpijery, raha tarafina tamin’ny seho farany notontosain’ny Tropy Jeannette tao amin’ny Arena Ivandry.
Zokiny indrindra
Tropy andiany faha-3B no ilazana ireo mpisehatra mandrafitra ny Tropy Jeannette amin’izao fotoana izao, tarihin-dRavaloson Tsiory. Izy no tropy zokiny sy naharitra indrindra, amin’ireo ao anatin’ny Fikambanan’ny mpilalao teatra eto Madagasikara. Tsiahivina fa ny andiany voalohany dia ny tarik’Andrianary Ratianarivo sy ny Madame Jeannette, niaraka tamin-dry Rasoavololona Hélènz, Ravaloson Charles, Rasamy Gitara, sns .
“Tsy raraka ny ilo, tafita ny fanilo”, hoy ny teny filamatry ny tropy Jeannette andiany faha-3B. Voaporofo izany amin’ny fifehezan’izy ireo ny piesy rehetra, na ireo klasika na ireo manaraka vanim-potoana. Tsy latsa-danja ihany koa ireo hira teatraly izay maro no malaza kanefa vitsy ny mahalala ny tantara nipoirany.
Raha hiverenana ny piesy “HM”, mbola hita taratra eny amin’ny tokantrano sasany eny ny tantaran’i Jean sy Hélène. Miresaka ny hasarotam-piaro amin’ny endriny maro, lalaovina anaty tantara mahatsikaiky sy mitana hatramin’ny farany ny mpijery.
Zo ny Aina