Ho fiatrehana ny lalaon’ny Nosy sy ho fampivoarana ny taranja tenisy, hiverina hiatrika ny fifaninanana eran-tany, taranja Tenisy indray i Madagasikara. Ny Billie Jean King Cup ho an’ny vehivavy, raha toa ka ny Davis Cup ny lehilahy.
Mialohan’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, izay hatao eto amintsika ny 23 aogositra – 3 septambra, hiatrika fiadiana ny tompondaka eran-tany amin’ny taranja Tenisy, lahy sy vavy, i Madagasikara. Araka izany, ny Davis Cup (DC), atao any Kinshasha RDC Congo, ny 19 jona, ny an’ny lehilahy. Raha toa ka ny Billie Jean King Cup (BJKC), hotanterahina any Kigali Rwanda, ny 5 -10 jona, ny an’ny vehivavy. “Efa vonona tenteraka ny mpilalao sy ny federasiona”, hoy Rakotomaniraka Naina Zandina, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja Tenisy (FMT), teny Ambohidahy, omaly.
Marihina fa notsongaina tamin’ny laharan’izy ireo na Ranking sy ny traikefa hananany, ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, ary izy ireo ihany no hanao ny JIOI 2023. Tsara ny mampahafantatra fa, ao amin’ny vondrona fahadimy groupe 5, ny ekipa lehilahy malagasy, amin’ity fifaninanana ity. Raha ny vaovao voaray, ireo firenena roa manao famaranana no miakatra ao amin’ny Groupe 4.
Ao anatin’ny vondrona fahefatra Groupe 4 ny vehivavy malagasy, ary izay tompondaka ihany no miakatra Groupe 3. Araka ny fikarohana natao, ny taona 2019 isika no nandray anjara farany tamin’ireo fifaninanana roa ireo.
“Araka ny teny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena, Andry Nirina Rajoelina, teny Iavoloha, nandritra ny lanonana “Journée des Médailles”, ny 7 mey lasa teo, dia iantohan’ny fanjakana avokoa ny lany rehetra satria voninahi-pirenena no harovana. Ka manao antso avo amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny fanjakana izahay, mba hijery akaiky ny taranjanay satria zava-dehibe izany manao Mondial izany”, hoy ihany ny filohan’ny FMT.
Fitia (Mpianatra asa)
Lisitr’ireo mpilalao hanao ny Davis Cup :
Razafimahatratra Dina (kapiteny), Rakotomalala Romeo, Raharivony Nicolas, Rasendra Fenosoa, Andriamasilalao Lucas
Ireo firenena mandray anjara amin’ny Davis Cup :
Burundi, Congo, , RDC Congo, Djibouti, Etiopia, Gabon, Lesotho, Madagasikara, Maurice, Seychelles, Soudan, Tanzania, Oganda
Lisitr’ireo mpilalao hanao ny Billie Jean King Cup :
Randriamanalina Jean-Marc (kapiteny), Voaviandraina Harena, Voavy Mitia Andraina, Mialy Ranaivo, Ranaivo Narindra Corrine.
Ireo firenena mandray anjara amin’ny Billie Jean King Cup :
Angola, Cameroun, Congo, RDC Congo, Etiopia, Lesotho, Madagasikara, Mozambika, Rwanda, Senegal, Tanzania.