Volana jona : omena sehatra haneho hevitra ny ankizy

“Antoky ny hoavy mamiratry ny ankizy ny anio”. Io no lohahevitra ho fanamarihana ny iray volan’ny ankizy amin’ity volana jona ity. Nitondra teny fiarahabana ho an’ny ankizy rehetra manerana ny Nosy ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, Soafilira Princia.
Fotoana hampahafantarana ny zon’ny ankizy sy ny andraikiny eo amin’ny tokantrano sy ny fiarahamonina izao. Omena sehatra ny ankizy ahafahany misitraka ny zony sy maneho hevitra amin’ny fiarovana azy sy ahafahany mitondra soso-kevitra hanatsarana izany.
Fanamarihana no atao mandritra ny iray volana fa ny ezaka fiarovana ny ankizy sy ny zony dia asa efa fanao
isan’andro. Mila mifanampy ny olom-pirenena rehetra, indrindra ireo manana adidy manokana mahakasika ny fiarovana ny zon’ny ankizy.
Ho fanatevenana izany asa andavanandro izany, na dia mandray andraikitra amin’ny fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra aza ireo sokajin’olona misehatra amin’izany dia zava-poana izany raha tsy mia­ro ny tenany ny ankizy. Ala­viro ny toe-javatra mety hiteraka herisetra amin’ny tenanareo, sahia mitoroka raha misy herisetra mianjady, manatona fokontany sy zandary, ny polisy, hoy ny minisitra.
Nirary soa sy fahombiazana ho an’ny ankizy rehetra ny minisitra, indrindra ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana atsy ho atsy.
Mandritra ity volana jona ity, hisy ny hetsika maro toy ny dinika ho fanamafisana ny zo sy andraikitry ny ankizy, fizaham-pahasalamana maimaimpoana, fitsidihana ny an­kizy eny amin’ny akany, fame­renana ireo kilalao fahiny …

Tatiana A

Partager sur: