Volley – GNVB: tanjona ny haka amboara

Haka ny amboara aty amin’ny ranomasimbe In­dianina indray no tanjona manaraka ho an’ny Zanda­rimaria Nasionaly Volley-ball. Io no nambaran’ny Chef d’Escadron Fortunat, filohan’ny klioba, omaly, tetsy Betongolo. Nambarany fa ny resin’ny ekipa avy atsy amin’ny Nosy rahavavy no mampalahelo azy ireo fa tsy ny resin’ny ekipa eto an-toerana. Tsiahivina, vao avy nanao pao-droa teo amin’ny fifaninanam-pirenena, natao tany Toamasina farany, ny ekipan’ny GNVB lahy sy vavy. «Nifanaraka tamin’ny ezaka natao izany, tafapetraka amin’ny toerany ihany koa ny vehivavy raha ny lehilahy hatrany no nanana ny anjara toerany hatramin’izay», hoy ity filohan’ny klioba ity. Zavatra telo ny tombony ho an’ny GNVB, raha ny fanazavany hatrany. anisan’izany ny fananana toe-tsaina maha miaramila an’ny mpitantana, mpitaiza, ary efa tafiditra any amin’ny ankizy izany, izay fanoitra lehibe. Eo koa ny fisian’ny sekoly, izay taninketsan’ny klioba ary ny haka ny anaram-boninahitra aty amin’ny ranomasimbe Indiana moa no tanjona manaraka.
Ankoatra izay, hanao izay fara hery ahafahana manohana ny ekipam-pirenena malagasy ny GNVB, mba handrombaka ny amboara amin’ny lalaon’ny Nosy. Tsara ny vokatra ho an’ny GNVB tamin’ity taona ity, izay nandrombaka ny anaram-boninahitra eto Madagasikara ho an’ny so­kajy U-14, U-16, 2DM ary ny 1DM/1DF. Nitombo be ny mpilalao manana kara-pilalaovana ho azy ireo ta­min’ity taom-pilalaovana ity, nahatsangana ekipa 1DM miisa 4 sy 1DF miisa 2 izy ireo saingy ekipa 3 ihany no nentina niatrika ny fifaninanam-pirenena tany Toa­masina teo iny, noho ny ara-teknika sy ara-bola. Samy nanambara kosa ireo kapiteny lahy sy vavy, fa mora ny nahazo ny amboara saingy sarotra ny mitazona azy. Ho an’i Eugénie kapiteny ny GNVB vehivavy dia nilaza fa «efa ela no nikatsahana iny, manana teknisiana atokisana izahay, mino fa mbo­la betsaka ny zavatra hoentiny ka mbola ho voatazona ny anaram-boninahitra». Ankilany Tolojanahary kapiteny lehilahy dia nanambara fa « hampitombo ezaka sy fanazarantena izahay dia inoana fa hiakatra hatrany ny toerana misy ny klioba ».

Mi.Raz

Partager sur: