Zotran-dalamby  « train voyageur »: niverina nanomboka omaly ny Dia tsara

Nisokatra nanomboka omaly ny zotran-dalamby mpitatitra olona miainga ao Moramanga mihazo an’i Toamasina. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny minisitry ny Fitaterana sy famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valéry, niaraka tamin’ny Governoran’ny faritra Alaotra Mangoro, ny Governoran’ny faritra Atsi­nanana ary ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny. Mandalo kaominina 22 ny Dia tsara, indrindra any amin’ireo toerana tsy tongan’ny fiara. “Hanamora ny fifezivezen’ny mponina sy ny famoaham-bokatra ity fiverenan’ny zotran-dalamby ity”, hoy ny fanazavan’ny ben’ny Tanànan’Andeka­leka, Soatombo Claudine, omaly. Hampiroborobo ny toekarena sy ny lafiny sosialy ity zotran-dalamby ity, noho izy hanamaivana ny fiainan’ny olona sy ny fitaterana.
Mahazaka olona 64 ny 1ère classe amin’ity zotra ity raha 216 toerana kosa ho an’ny 2ème classe. Maha­ritra 12 ora ny lalana Mora­manga- Toamasina ataon’ny Dia Tsara, noho izy mijanona amina gara 23 lalovany. Etsy ankilany, efa mijery akaiky ny hamelomana ny zotra Moramanga-Lac Alaotra (MLA) ny minisitera mpiahy. Tanjona amin’izany ny hampivoatra hatrany ny fitaterana manerana ny Nosy.

Henintsoa Hani

Partager sur: