Hiverina an-tsehatra ny tarika MR Razafy. Zava-dehibe loatra ho an’ny mpankafy ny fahenoana izany, indrindra taorian’ny raho-manjombona noho ny nahalasanan’i Mamy, ny volana oktobra 2022. Ho fahatsiarovana azy indrindra, hataon’ny tarika ho fanomezam-boninahitra an’i Mamy ny seho hotontosaina rahampitso alahady 4 jona, etsy amin’ny CCEsca Antanimena, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany.
“Seho efa tokony natao tamin’ny volana desambra lasa teo io, hanamarihana ny fiverenan’ny tarika an- tsehatra, saingy izao vao tontosa”, hoy ny nambaran’i Hary, rahavavin’i Mamy izay mandrafitra ny tarika ihany koa.
“Izao no andro hafa indrindra” ny lohatenin’ny seho. Ankoatra izay fanomezam-boninahitra an’i Mamy izay mantsy, fankalazana ny fetin’ny reny ihany koa io fotoana io. “Fanomezana miendrika amboaran-kira ho an’ireo reny rehetra ny seho”, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy vitan’izay, ho fanamarihana ny faha-60 taona niakaran’ny tarika Mr Razafy an-tsehatra ihany koa izany.
Tsiahivina fa efa tany amin’ny taona 60 tany no nalaza ny hiran-dRazafindramanitra Antoine, na i Mr Razafy. Nohirain’ireo mpanakanto toa an-dry Gabhy, Nelle, Nanta, sns, ny hirany tamin’izany, ary nivoaka tanatin’ny kapika 45 tours. Ny taona 1983 kosa no nahitany an-dry Hery, Hary, Mamy, Lova ary Roland, izay nomena ny anarana hoe “Les Cinq”. Nisongadina tanteraka ny tarika MR Razafy nanomboka tamin’ny fidiran’ny “Les Cinq”, namoaka ireo hira malaza hatramin’izao, toa ny “Ny sarinao”, “Mariazy”, “Tsy ho anao”, sns.
Taorian’ny nahalasanan’i MR Razafy, nanohy hatrany namelona ny sanganasany ny tarika. mbola mitohy hatrany izany, ho fahafahampon’ireo mpankafy, na zokiny na zandriny…
Zo ny Aina