Adina ara-panatanjahantena: tsy azon’ny mpanaraka idirana ny foibem-panadinana bakalorea

Efa nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny fanadinana bakalorea, eto Antananarivo. Misy ny lamina vaovao, araka ny naoty avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Naparitaka amin’ny mpi­andraikitra ny foibem-panadinana izany fa tsy azon’olon-kafa ivelan’ny mpiadina sy ny mpikarakara rehetra idirana ny toeram-panadinana manomboka izao. Toy ny taranja rehetra hatrehina amin’ny bakalorea ihany ny adina ara-panatanjahantena, tsy misy olona tsy voakasiky ny asa tokony hanatrika mi­hitsy.
Nisy nitaraina ireo ray aman-dreny fa tsy avelan’ny mpikarakara manaraka ny zanany mpiadina ho an’ny teny amin’ny kianja Barea. Ho an’ny kianja eny Ala­robia, eny amin’ny gradins no manara-maso ny fizotry ny adina ireo mpanaraka ny mpiadina rehetra fa tsy mahazo miditra ny faritra iadinana mihitsy, hoy ny tomponandraikitry ny fanadinana.
Momba ny fahasalamana, misy fiara manokana mpitondra marary miaraka amin’ny mpitsabo eo an-toerana isaky ny toeram-panadinana misahana ny olana ara-pahasalamana. Hatramin’ny omaly, voaray an-tanana ara-potoana avokoa ireo mpiadina tsy salama nandritra na taorin’ny adina. Tsy mbola nahazo tatitra momba ny fisian’ny mpiadina tovovavy mitondra vohoka ny tomponandraikitra.
Anio no hivory hizara ny zava-misy rehetra nandritra ny herinandro voalohany ireo mpiasa nisahana ny adina ho an’ny herinandro voalohany.

Vonjy

Partager sur: