Ady amin’ny tazomoka: CSB 30 any Farafangana nanaovana andrana

Nanaovana tombana ny fanitarana ny fandraisana an-tanana ny olona mararin’ny tazomoka any amin’ny distrikan’i Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana, na­taon’ireo mpanentana ara-pahasalamana. Tanjona ny hampihenana ny tahan’ny fahafatesana vokatr’ity aretina ity. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasam-pirenena momba ny ady amin’ny tazomoka (PNLP) ny hanitatra amin’ny faritra maro ny ady amin’ny tazomoka.
Manohana izany ny Institut Pasteur de Madagas­car (IPM) amin’ny fanatanterahana fanadihadiana ifotony. Famatsiam-bola avy amin’ny vinan’ny filoha ame­rikana ho an’ny ady amin’ny tazomoka (PMI) amin’ny alalan’ny tetikasa Rise no nahafahana nanao ny fanadihadiana.
Natao tany Farafangana, ny fanadihadiana sy ny fanitarana ny fandraisana an-tanana ny olona mararin’ny tazomoka amin’ny salantaona rehetra. Mpanentana ara-pahasalamana 502 no nandray anjara tamin’ny tobim-pitsaboana CSB miisa 30 ao anatin’ny kaominina sy distrika 28.
Nanaraka fiofanana in-droa miantoana ireo mpanentana ara-pahasalamana mialoha ny nidirana an-tsehatra amin’ny asa. Nozara­ina roa ny CSB, 15 dia nandraisan’ny mpananentana ara-pahasalamana ireo zaza latsaky ny 5 taona marary ny tazomoka. Ny CSB 15 hafa kosa, nandray ny trangana tazomoka amin’ny salantaona rehetra.
Natao nanomboka ny volana oktobra 2019 hatramin’ny desambra 2021 ny fampiharana. Nisy ny fanadihadiana mialoha sy aoriana nahafahana manao fampitahana.

Tatiana A

Partager sur: