Boky «Ny diako» : mivoy ny zon’ny olona sembana i Fela

Nanoratra boky mitondra ny lohateny hoe “Débout” na “Ny diako”, Razafinjato Fela, filoha mpanorina ny fikambanana sembana mijoro. Navoakany sy nasehony tamin’ny mpanao gazety tetsy Antanimena, omaly, izany. Tanjona ny hivoizana ny zon’ny olona manana fahasembanana sy hampahafantarana ny olona ny fiainan’izy ireo, ny antony nanoratana ny boky, raha ny fanazavany.
“Mitantara ireo sedra niainany tamin’ny fanilikilihana nahazo azy nanomboka teo amin’ny fahatelo taonany ny votoatin’ny boky”, hoy izy. Nilazaity farany fa tsy mora ny miaina ny fahasembanana satria misedra izany isaky ny dingam-piainana. Nohamafisiny fa tsy atao sakana amin’ny fampivelarana ny maha olona ny fahasembanana fa tokony ho hery hahafahana mijoro hatrany izany. Azo atao tsara ihany koa ny mitondra ny fiainana ho tsara kokoa amin’ny alalan’ny fijery miabo sy fananana fanamby. “Aoka tsy hatao sakana ho an’ny olon-drehetra ny fahakiviana manoloana ny sedram-piainana fa mila mijoro hatrany”, hoy ha­trany izy. Mizara telo ny votoatin’ny boky. Mitanta­ra ny fahazazany ny fizarana voalohany. Ny sedram-piainana nolalovany ny faharoa. Miresaka ireo fa­namby napetraka sy ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo olona nifanerasera taminy kosa ny fizarana farany.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: