CCSM : mpiofana 36 notolorana maripahaizana

Tontosa omaly, teny Am­pahibe, ny famoahana ireo manamboninahitra mpiofana ho amin’ny fanampim-pandalinana ho fikajiana ny fahasalaman’ireo miaramila (CCSM), andiany fahefatra. Nanotrona izany ny Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Ramasy Razafindra­tovo Heritiana. Mitontaly 36 mianadahy ireo notolorana maripahaizana . “Voaporofo ary voatazon’ny DCSSM ny andraikitra fanomanana olo­na ho mpitsabo mpiara-miasa ka izany indrindra no nahafahana niroso amin’izao andiany izao”, hoy ny Jly Ramasy Razafindratovo Heritiana.
Ezaka mbola andrasana ny fametrahana mpisehatra amin’ny fitsaboana eny anivon’ireo rafitra vaovao toy ny Base opérationnelle Avancée na BOA, ny Détachement Spé­cial de sécurité na DSS sy ny maro hafa, araka ny nambarany. Nankahery ireto andiany ireto izy hiroso lalina amin’ny fanaovana spécialisation sa­tria betsaka ny filàna eo anivon’ny Tafika, nefa tsy mbola ananan’ny sampandraharahan’ny fitsaboana miaramila. Nanambara kosa ireo nahavita fiofanana fa dingana iray tsy maintsy ho nolalovana izao lalam-piofanana fanampiny izao mba hahafahana manana fijery vaovao amin’ny maha miaramila mpitsabo azy ireo. “Ny fampiofanana, misahana manokana ny miaramila, in­drindra ny fifandraisan’ny fitsaboana sy ny asa atao eny an-kianja.

Jean Claude

Partager sur: