CUA : “Elève encadreur” 7, naseho teo ambany faneva

Notanterahina omaly, te­tsy amin’ny tobin’ny polisy Monisipaly Anosipatrana, ny lanonana famoahana sy fanolorana galona ireo polisy Monisipaly eto anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Tonga nanatrika izany teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’Antanana­rivo Renivohitra. 7 mirahalahy ireo élève encadreur , an­diany faharoa, naseho teo ambany faneva, nandritra izany. Niofana teny amin’ny sekolim-pirenena ambony teny Ivato, nandritra ny 45 andro izy ireo, talohan’izao. Notolorana galona ihany koa ireo polisy Monisipaly am-perinasa 21 mendrika, andiany Fanilo. Tanjona ny hanatsarana ny fomba fiasa sy hamerenana ny hasin’ireo polisy monisipaly eto An­tananarivo Renivohitra ireo, raha ny fanazavana hatrany.
« Antoky ny fampandrosoana eto amin’ny faritra Antananarivo ny filaminana sy fandriampahalemana», hoy ny ben’ny Tanà­nan’Antananarivo Renivo­hi­tra, Andriantsitohaina Naina. Nilaza izy fa ma­nan­tena vokatra tsara sy hisian’ny filaminana sy fandriampahalemana ny mponin’Antananarivo eny anivon’ny fiaraha-monina misy azy ireo tsirairay avy.
Anisan’ny anjara an­draikitry ny polisy Moni­sipaly ny miaro sy manabe ny vahoaka ary mampihatra ny lalàna, raha ny fanazavana hatrany.
Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ka nahafahana nanao izao hetsika izao.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: