Digue Fenoarivo : vehivavy niampita tampoka, maty voafaokan’ny fiara

Maty voadonan’ny fiara ny vehivavy iray, teo amin’ny lalam-pirenena voalohany, tetsy Ambodiafotsy, anatin’ny kaominina Fenoarivo, afakomaly. Avy nanatitra sakafo ho an’ny reniny izay narary teny anivon’ny hopitaly Fenoarivo, nikasa hody eny Itaosy ny vehivavy iray sy ny olona dimy niaraka taminy. Niam­pita arabe anefa izy ireo rehefa tonga teo Ambodiafotsy ka sendra ny fiara nandeha mafy tampoka. “Hamonjy ny tohodrano, hamonjy fodiana eny Itaosy, niampita ireo namany ary tavela teny am-pitan’ny arabe ny roa ka anisany ilay vehivavy”, hoy ny fanazavan’ ny zandary ao Faliarivo.
Voalaza fa niampita tampoka ilay vehivavy ka voafaokan’ny fiara nandeha mafy sendra nandalo. Nirifatra ni­tsoaka ilay fiara nahavanon-doza. Nentina namonjy hopitaly ilay vehivavy saingy namoy ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy. “Avy any an-dRenivohitra nihazo an’i Fenoarivo io fiara io”, hoy ny fanamafisan’ny zandary nanao ny fanadihadiana. Tsy nisy nahatadidy ny laharan’ilay fiara anefa ireo niaraka ta­min’ity vehivavy tra-doza ity noho ny hatairana. Moto iray voalaza fa nanenjika ilay fiara saingy tsy niverina, araka ny loharanom-baovao.

Karohina

Fotoana fohy taorian’ny nahafaty io vehivavy io, namoy ny ainy koa ilay reniny izay nanaterany sakafo teny amin’ny hopitaly. “Tsy fantatra mazava na vokatry ny aretina nahazo azy na noho io fahafatesan’ny zanany io no nahafaty ilay renim-pianakaviana”, hoy ny zandary. Karohin’ny mpitandro filaminana kosa ilay fiara nahavanon-doza. “Nampandrenesina ny zandary tao Imerintsiatosi­ka saingy voamarina fa tsy tonga tany io fiara io”, hoy ny tomponandraikitra misahana ny fanadihadiana. Misokatra ny fanadihadiana lalina ka andrasana ny tohin’ny raha­raha.

Tsiferana R.

Partager sur: