Notontosaina tany Eoropa nandritra ny iray volana sy tapany ny fankalazana ny faha-60 taona ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fimpima). Toerana dimy no nanatanterahana izany, Frantsa, Benelux, Norvezy, Alemana ary Soisa. Nisy hatrany ny fampitana fanilo, ny famoahana mpianatra kabary, ny fandraisana mpikambana, ny fanasalorana lamba ary ny seho kanto hanandratana ny kabary.
Ankoatra ireo, nandray anjara tamin’ny fankalazana ny faha-100 taona ny Académie des Sciences d’Outre-Mer tao Sorbonne Parisy ny Fimpima, tamin’ny alalan’ny seho kabary. Antony, efa lasa haren-tsaina tsy azo tsapain-tanana eo anivon’ny Unesco ny kabary malagasy. Izany hoe, efa azo sokajiana lafiny siantifika.
Vinan’ny Fimpima, nanomboka ny zaikabe tany Antsiranana ny hoe, «kabary, harem-pirenena mampandroso taranaka ankehitriny ary lovain-jafy». Ilaina ny fitehirizana ny tantara.
Natao sonia ny fifanarahana hametrahana ny kabary malagasy ao amin’ny fitahirizan’ny Oniversite VID Stavanger, izay efa misy momba an’i Madagasikara rahateo ao.
Njaka A.