Miteraka fimenomenonan’ny olona ny delestazy lavareny ataon’ny Jirama. Simba ny asa
rehetra mila herinaratra, indrindra ny fidiram-bolan’ny mpanjifa.
Ora vitsy anatin’ny andro iray sisa no mahazo herinaratra ny mpanjifa. Tsy nisy kosa ny fahatapahan’ny herinaratra nandritra ny faran’ny herinandro sy ny fetin’ny Pantekoty lasa teo. Ankehitriny, miverina ny delestazy, mihamafy izany tao anatin’ny telo andro. Miteraka fahasorenana ho an’ny daholobe ny delestazy lavareny. Ao anatin’ny iray andro, tapaka in-telo ny herinaratra ka maharitra ora telo ny fahatapahana na atoandro izany na alina.
Omaly, nitondra fanazavana hafa indray ny orinasa Jirama momba ity fahatapahan-jiro ity. “Fitombon’ny filàna herinaratra amin’izao fidirana amin’ny vanim-potoan’ny ririnina izao. Fihenan’ ny tohodrano hamokarana herinatra azo avy amin’ny rian-drano (143/216MW ho an’ny omaly). Fitotongan’ny vokatra herinaratra azo avy amin’ny masoandro (8/40MW ho an’ny omaly). Ary tsy fahampian’ny tahirin-tsolika mavesatra”, ireo no voalaza fa mahatonga ny delestazy ankehitriny raha fikojakojana andrin-jiro sy tariby samihafa no nambara fa mahatapaka ny jiro andro vitsy lasa izay.
Tsy misy rano
Tonga hatramin’ny fahatapahan-drano ny fahatapahan’ny herinaratra. Ho an’ny fokontany Analamahitsy, tapaka nandritra ny ora telo ny rano, afakomaly atoandro. Betsaka ireo mpanjifa nimenomenona vokatr’izay. Simba ny fidiram-bolan’ny mpanjifa entina handoavana ny faktioran’ny Jirama miaka-dava. Miantraika amin’ny sosialim-bahoaka sy ny toekarena ihany koa izany.
Ankoatra izay, omaly, nanao filazana ny orinasa Jirama fa ho tapaka eo anelanelan’ny amin’ny1 ora tolakandro sy amin’ny 9 ora alina ny herinaratra, androany ho an’ireo tambazotra iraisan’Antananativo (RIA). Notohizany fa vinavinaina haharitra ora telo eo ny fahatapahana isaky ny zotra mpitsinjara herinaratra.
Henintsoa Hani