Fampiofanana mpitsara : nasiana taranja «Droit de l’environnement»

Notanterahina omaly, teny Ankorondrano, ny fampahafantarana ny taranja «Droit de l’environnement», eo anivon’ ny ivon-toerana, fampianarana ho mpitsara.
Fandaharam-pianarana vaovao, natao ho an’ ireo mpianatra. Araka ny fanazavana voaray, misy lafin-javatra telo izany, anisan’ireny ny ady amin’ny kolikoly, ny fa­noherana ny famotsiam-bola, ary ny ady amin’ny fa­non­dranana ny biby sy ny ha­zo sarobidy. Ny birao mandray fitarainana momba ny kolikoly, Bianco, no hiara-hiasa amin’izy ireo. Marihina fa izay vao nisy ity taranja ity ary natao hanoherana ny kolikoly misy eto Madagasikara.
Tsiahivina fa efa misy fiofanana mahakasika izany, natao ho an’ireo mpitsara efa miasa.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: