Fi.Mpi.Ma 60 taona: hitohy amin’ny « Kabary Tours » ny « Sahobin’ny mpikabary »

Fikambanana zokiny indrindra amin’ny fanandratana ny hasin’ny kabary malagasy. 60 taona ny Fikamban’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma). Tsy ho lalovam-potsiny io vanim-potoana io fa hisy ny hetsika mitohy.

Tontosaina, anio, ao amin’ny Carlton Madagas­car etsy Anosy, ilay hetsika lehibe « Sahobin’ny mpikabary », hotanterahin’ny Fi­kambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi. Ma). Manomboka amin’ny 12 ora sy sasany atoandro. Kora -na, dihy, hanimpitoloha, seho kanto isam-paritra… Ity lanonana anio ity no ivon’ny fankalazana ny faha-60 taonan’ny Fi.Mpi.Ma. Hetsika hoentina manomana ny fananganana ilay tsangambato lehibe (foiben-toerana) hahafahana mikajy, mifanakalo hevitra, mitahiry momba ny kabary sy ny tontolony.
Aorian’ny « Sahobin’ny mpi­kabary », hitohy avy ha­trany amin’ny « Kabary Tours » ny fankalazana ny faha-60 taona. Ny 23 jona ka hatramin’ny 27 jona no hanatanterahina izany miaraka amin’ny lohahevitrra : « Ka­bary sy ny fizahantany, iray tsy mivaky ». Hiala eto Antananarivo, hihazo ny faritra Atsimon’ny Nosy ary hiverina eto indray ny dian’ireo handray anjara amin’ny « Kabary Tours ». Isaky ny tanàna lehibe, hisy hatrany ny seho an-kabary sy fanentanana ny amin’ny tokony hanajana sy hanomezan-danja sy hasina ny teny malagasy, ny tontolo iainana, ny fizahantany, sns.
Manomboka ny 14 aogositra ka hatramin’ny 19 aogositra amin’ity taona 2023 ity ihany, ho tanterahin’ny Fi.Mpi.Ma any Toamasina ny « Herinandron’ny kabary ». fotoana ahafahan’ny mpikabary mifanakalo sy mifampizara fahalalana sy traikefa. Ny 17 sy ny 18 novambra 2023 kosa no hanatanterahina ilay loabary an-dasy lehibe mom­ba ny kabary ao amin’ny Aka­demia Malagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: