An-jatony ireo efa lavo saingy tsy mitsaha-mitombo hatrany ireo jiolahy mpanao ratsy manerana
ny Nosy amin’izao fotoana.
Nisongadina tao anatin’ny tatitra momba ny asa fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana eo anivon’ ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny taona 2019 – 2023, ny ezaka manoloana ny fandriampahalemana. Ho an’ny polisim-pirenena, ho fanatanterahana ny toromarika “Polisy manakaiky ny vahoaka” dia teo ny fanorenana fotodrafitrasa 45 miaraka amin’ny vokatra azo nandritra ny fifandonana tamin’ireo jiolahy mitam-piadiana mahery vaika. Araka ny tatitra nataon’ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny contrôleur général de police, Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys, olon- dratsy isan-tsokajiny 1 442 no indray voasambotra ka ny 255 amin’ireo no maty voatifitra. Olona 54 avotra teny am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny ka fito amin’izy ireo varira. Ho an’ny basy samihafa : 931 sy dynamites 17 tratra teny amin’ny jiolahy. Rongony milanja 14 287,41kg sy 26 gony ary 218 fonosana miampy zava-mahadomelina mahery vaika milanja 3,107 kg sy 20 cocottes ary 46 doses no tratra tany amin’ireo mpanao trafikana zava-mahadomelina.
Mitohy hatrany ny asa ho an’ny polisy…
Nahitam-bokatra ihany koa ny halatra lavanila maitso satria 3 972,72 kg no tratra ka nogiazana avy hatrany. Ho an’ny herisetra na mahalahy io na mahavavy, 8 856 no voavaha tamin’ireo 11 293 voaray. Momba ny fandikan-dalàna amin’ny tambajotram-pifandraisana, 1 582 no voarain’ny polisim-pirenena izay nahavoarohirohy olona 800. Sokatra 286 no tratra niaraka tamin’ny hazo sarobidy bolabola isan-karazany 193. Teo koa ireo karazam-bato sarobidy milanja 5 044,2 kg. “Hita fa nahitam-bokatra ny fampiharana ny teny miaina vaovao ho an’ny polisim-pirenena dia ny Polisy miaro sy manampy ny vahoaka”, araka ny nambaran’ity manamboninahitra ity.
Nohamafisiny fa mitohy hatrany ny asa ho fampandriana fahalemana miaraka amin’ny fifanomezan-tanàna amin’ny mpitandro filaminana hafa.
Jean Claude