Nitafa tamin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Assoumacou Elia Béatrice ireo mpiasan’ny oniversite efa misotro ronono nefa tsy misitraka ny fisotroan-dronono, nanomboka ny taona 2019. Antony nitarika ny olana ny tsy fandoavana ara-potoana ny latsakemboka CRCM (caisse de retraites civiles et militaires) teo anivon’ny oniversite maromaro.
Manoloana izany, mitondra vahaolana ny minisitera mpiahy ka manaraka ireo dingana rehetra hahafahana mandoa izany faran’izay haingana. Efa nisy ny « canevas » nomen’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny tetibola ho fenoina nalefa eo anivon’izy ireo. Maro anefa no mbola tsy nahafeno izany. Efa tapitra tamin’ny 26 mey lasa teo ny famenoana izany ka tokony haverina eo anivon’ny minisitera.
Efa mikarakara ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera mamaha ny olana iraisan’ny rehetra, mialoha ny hidirana amin’ny mety olan’ny tsirairay.
Vonjy