Hianandrefana sy hinavaratra ny fiarabe , manao fizaham-pahasalamana maimaimpoana. Tanjona amin’ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka ny hanome fitsaboana sy fitiliana miaraka amin’ny fanafody tsy hialam-bola ho an’ny distrika 119.
Niainga omaly, teny amin’ny kianjan’ny Barea, Mahamasina ny Caravane médicale hihazo ny tapany avaratra sy andrefan’ny Nosy. Maharitra roa herinandro izany, izay iarahan’ny fikambanana Fitia. Finiavana avy amin’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny fikambanana, Rajoelina Mialy, ny hetsika « Sarobidy ny aiko ». Tetikasa iarahana amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny Fahasalamana (OMS).
Ny taona 2019 no nanombohan’ny hetsika ara-pahasalamana « caravane de la santé » tohanan’ny mpiara-miombon’antoka maro (Unicef, Unfpa, OMS…). Fiara iray no nampiasaina tamin’ny voalohany. Tafakatra ho 14 no hitondra tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, ho an’ny andiany niainga omaly, teo amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina.
“Nanaovana ezaka manokana, ny fanatonana ny vahoaka ahafahan’izy ireo misitraka fahasalamana maimaimpoana, miaraka amin’ny fanafody, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka”, Pr Randriamanantany Zely Arivelo.
Ankoatra ny hetsika « sarobidy ny aiko », nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, fa 28 ny isan’ny hopitaly natsangana teto Madagasikara, tao anatin’ny 4 taona mahery. « 15 tamin’ireo no hopitaly manara-penitra, tena nilaina tokoa nandritra ny fandraisana an-tanana ireo marary nandritra ny fiparitahan’ny Covid-19 satria efa nametrahana generateur d’oxygène avokoa », hoy ihany ny filohan’ny Repoblika.
Nisongadina ny fitiliana
Tao anatin’ny efa-taona nanaovana ny « caravane médicale », tsapa fa fotoana andrandrain’ny vahoaka izany. Nahitana fahombiazana ny mammographie sy radiographie izay tena lafo vidy tokoa ny fanaovana azy. Maimaimpoana ny fanaovana izany mandritra ny fandalovan’ny caravane. Misy koa ny fitiliana sy fandraisana an-tanana ny trangana tsy fanjarian-tsakafo, ny fitiliana ny VIH, ny diabeta sy ny tosidra, ny fitsaboana nify sy ativava. Manampy ireo ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny fanaovana ireo vaksiny samihafa. Misy ihany koa ny fandrindram-piterahana. Manginy fotsiny ny fitiliana ny homamiadan’ny nono sy ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Misy hatrany koa fanentanana momba ny ady atao amin’ny herisetra.
Mampiavaka ity andiany ity ny fanomezan’ny filohan’ny fikambanana Fitia kojakoja sy fanafody hampiasaina amin’ny fitsaboana nify sy ativava. Mizara telo ny caravane, mandeha Talata Volonondry sy Anjozorobe ireo niainga omaly, ary miverina eto Antananarivo. Ho any Arivonimamo, Analavory kosa amin’ny herinandro ambony. Ankazobe, Maevatanàna, Mampikony hatrany Port-Berger ny andiany fahatelo.
Efa nandalovan’ity hetsika ara-pahasalamana ity ny teto Analamanga, tany Atsimo, tany Atsinanana, ka hatrany Atsimo Atsinanana. Nahatratra 48.188 ireo mpisitraka tamin’ny hetsika farany Sarobidy ny aiko teto an-dRenivohitra sy Atsimondrano ary Avaradrano. Nanatrika ny fiaingan’ny « caravane de la santé » koa ny filohan’ny Repoblika mivady.
Vonjy A.