Kick Boxing-“Les ceintures des champions” : hifandona amina Afrikanina tatsimo i Sandra sy i Joel

Hanomboka anio, ao amin’ny Nosy Maorisy, ny fifaninanana iraisam-pirenena “Les ceintures des champions”, taranja kick boxing. Mandray anjara amin’izany i Madagasikara, ka mpikatroka 9 mianadahy, 2 vavy sy 7 lahy no hifaninana. Maorisiana sy ny Malagasy no mifaninana amin’ity fifaninanana ity ary misy mpikatroka avy any Afrika Atsimo sy Torkia ihany koa hifaninana. Ho an’i Madagasikara, hifandona amin’ireto Afrikanina ireto, Rakotoarison Sandra, sokajy Senior, vehivavy latsaky ny 56 kg. Eo amin’ny sokajy lehilahy kosa, hihaona amin’ny mpikatroka avy ao Afrika Atsimo, ihany koa, Randrianjafy Joel, sokajy Senior, lehilahy latsaky ny 63.5 kg. Teratany maorisiana kosa no hifaninana amin’ireo mpikatroka malagasy ambiny.
Tsiahivina, ny 1 jona lasa teo no nanainga teto an-tanindrazana ny delegasiona malagasy, nahitana ny filohan’ny delegasioana, ny tomponandraikitra ny serasera, ny mpanazatra ary ireo mpikatroka miisa 9 mianadahy. Nanamafy ny Tale teknika nasionalin’ny federasiona, fa na tsy anisan’ny taranja hifaninana aza ny kick boxing amin’ny lalaon’ny Nosy, manohy ny fanazarantena sy ny fanomanana hatrany izy ireo.

Mi.Raz

Partager sur: