Minisitry ny Serasera sy ny eo anivon’ny OJM : “Avelao hiasa an-kalalahana ireo mpanao gazety”

Nanao antso avo ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotodrazafy Lalatiana sy ny eo anivon’ny Holafitry ny mpanaoa gazety (OJM), omaly. Antony ny fisian’ny fanohintohinana ny asan’ny mpanao gazety, amin’izao fotoana izao.

«Miray fo sy mi­ray saina amin’ny mpa­nao gazety voatohintohina tamin’ny fanatanterahana ny asany ny tenako», hoy ny minisitra. Nanteriny ny fanambaran’ny OJM ma­noloana ny fihetsiky ny olom-boatendry sy olom-boafidy tamin’ny faritra ma­ro­maro nanao fihetsika ma­neho fanilikilihana sy fanohintohinana ny mpanao gazety manao ny asany. “Ave­lao hiasa malalaka ny mpanao gazety ary hanao ny asany an-kalalahana. Toko­ny samy hanatanteraka sy hanaja ny asa tandrify azy ny tsirairay”, hoy izy ireo.
Nasiany tsindrim-peo fa izay voalazan’ny lalàna iha­ny no afaka mametra ny fa­ha­la­la­­han’ny tsirairay eto Ma­da­ga­sikara. Anisan’izany ny fi­tan­droana ny filaminan’ ny ta­ny sy ny firenena, araka ny vo­­­alazan’ny Lalàmpano­renana.
Nampirisika ny OJM ha­nohy ny ezaka fiarovana ny mpanao gazety manao ny asany araka ny tokony ho izy ny minisitry ny Serasera. Manana ny fahaleovantenany tokoa ny Holafitra, tsy mi­ray tsikombakomba amin’ny minisitra na ny minisitera, araka ny nambarany. Ma­na­me­loka tanteraka izao fihetsiky ny tomponandraikitra sasany izao ny OJM. Niantso ny mpanao gazety hanaja la­làna koa izy ireo. Nanentana fa tsy asa fanaovan-gazety ve­lively ny famoahana vaovao amin’ny kaonty na takelaka manokana an-tambajotran-tserasera. “Tsy voaaron’ny lalàn’ny asa fanaovan-gazety isika ao anatin’izany”, hoy ny OJM.

Synèse R.

Anisan’ny niharan’ny antsojay ny mpanao gaze­tin’ny Kolo TV sy ny Jupiter any Diana. Norarana tsy haka vaovao tamin’ny fahamaizan’ny milina mpamokatra herinaratra. Nohadiha­diana ny mpanao gazety miisa telo, tohin’ny fitoriana azy ireo, taoriana famoahana vaovao, momba ny trangana fakàna tany, any Atsinanana. Nalaina baraka imasom-bahoaka sy tsy no­mena vaovao ny mpanao gazetin’ny Radio Fanasina, nikaro-baovao fanamarinana momba ny trangana fandrodanana trano any Menabe.
Rahonana ny mpanao gazety any Analanjirofo fa hanaovana tatitra any amin’ ny lehibe,
rehefa tsy manaraka ny fandaminana eny ifotony. Sahirana ny mpanao gazety eto Analamanga mitrandraka fanamarinam-baovao, no­ho ny fikatonan’ny loharanom-baovao sasany.

Partager sur: