Notanterahina tao amin’ny kaominina Maroalomainty, Ambovombe, ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialy ny herinandron’ny karatany, ho an’ny faritra Androy. Tany an-toerana ny Praiminisitra, Ntsay Christian.
Manoratra ny tantara ny fitondram-panjakana. Nambarany fa mahatsiaro lalandava ny vahoaka any amin’ny faritra Androy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Antony mahatonga ny lehiben’ny governemanta manentana ny vahoaka mba hanoratra ny tany rehetra ampiasainy amin’ny anarany. Maro ireo kaominina manana tany efa voajary ary efa misy olona mivelona sy mihary, nefa mbola tsy misoratra amin’ny mponina ny tany, araka ny nambarany. «Mijery lavitra isika. Nametraka vatofehizoro ho famatsiana rano fisotro madio ary ho an’ny fambolena sy fiompiana ho an’ity faritra ity ka mba tsy hisy ny olana momba ny tany rehefa tonga ny rano. Fotoana izao mba hanoratana ny tany amin’ny vahoaka», hoy izy.
Niantso ary nanentana ny mponin’Androy ny Praiminisitra mba hanoratra ny tanin’ izy ireo. Nanteriny fa tsy maintsy hisitraka izany daholo ireo mponina ao anatin’ny distrika rehetra ao amin’ny faritra Androy. Hatao filamatra ny faritra amin’ny fanomezana ny karatany ho an’ny vahoaka, araka ny nambarany hatrany.
Tsiahivina fa niara-dia amin’ny praiminisitra amin’ izao fidinana ifotony izao ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy Fananantany, ny minisitry ny Jono sy ny Toekarana manga.
Synèse R.