Natao omaly, tetsy Ivandry, ny famaranana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa fanampiana ny tanora amin’ny fandraharahana, izay tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa Go Teach.
Tetikasa iarahan’ny SOS Village d’enfant sy ny orinasa DHL ny fampiofanana ireo tanora.
Tanjona ny hampahaleotena arak’asa ny tanora sy hanamorana ny fidirany amin’ny sehatry ny asa, indrindra ahafahany mamorona ny asany manokana.
Naharitra 2 taona ny fandaharan’asa fanofanana. 14 taona kosa ny tetikasa Go Teach, araka ny fanazavana nentin’ny mpitarika aty Afrika, Raharimamantsoa Faneva. 150 ireo tanora nofanina tany am-piandohana. Nahitana solontena ny avy any Antsirabe, sy Antananarivo ary Toamasina.
Tanora sangany tamin’ireo nahazo fiofanana 5 isam-paritra no nahazo famatsiam-bola manokana nahafahany nanatanteraka ny tetikasa fandraharahana taorian’ny fiofanana. 15, araka izany, ireo nahazo famatsiana ara-bola.
Mihodina tsara
Efa mandeha tsara ny tetikasan’ireo tanora 15 mianadahy. Misy rahateo ny mpitarika, mpilatsaka an-tsitrapo avy ao amin’ny orinasa DHL manao tan-tsoroka amin’ny fandraharahana ataony. Manara-maso ny asa, manoro lalana, mitady vahaolana izy ireo.
Miantsehatra amin’ny asa fiompiana, fambolena, informatika, mamorona site web, fanaovana mofo mamy ireo tanora mpandraharaha. Arakaraky ny tetikasan’ny tanora ny famatsiam-bola azo. Manodidina ny 400 hatramin’ny 1000 euros izany.
Ampianarina hitohy amin’ny fandraharahana hatrany ny tanora na misy aza ny tsy fahombiazana indraindray. Mahomby ny 60%-n’ny tetikasa ka ampirisihana hatrany ny tanora hampivoatra ny asa ataony.
Tatiana A