Jona, volana mampifamatotra ny tantaram-pirenena, ny fitiavan-tanindrazana, ny ankizy, ny teny malagasy, sns. Fotoana ahafahana manararaotra ny fampiainana sy fampahafantarana ny ankizy ny hasina ananan’ny teny malagasy. Tao anatin’ny taona 15 teo ho eo, nahazo vahana fatratra teto Madagasikara ny fampiasana ny teny vahiny ho teny hoenti-mampianatra. Very sy takona noho io tranga io ny tena hasin’ny teny malagasy.
Mandritra ity volana jona ity, tokony hatevenina amin’ny fanomezana voambolana roa na telo isan’andro ny fahalalan’ny ankizy ny teny malagasy. Ireo voambolana na teny malagasy manana ny heviny mazava kanefa tsy nampiasaina firy intsony no omena azy ireo. Tahaka izany koa ny ohabolana. Sady tenenina no hazavaina amin’ny ankizy ny ohabolana roa na telo isan’andro.
Tsy vitan’ny tsikera intsony ny fanomezan-kasina sy fanajana ny teny malagasy fa mila vahaolana mahomby sy maharitra !
HaRy Razafindrakoto