Ady amin’ny herisetra (VBG) : mahomby ny fametrahana ny vondron-dehilahy

Nametraka tetikasa ho fi­so­rohana sy fandraisana an-tanana ny olona niharan’ny herisetra mianjady amin’ny mahalahy sy mahavavy (VBG) eto Madagasikara ny Royaume de Norvège sy ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (Unfpa). Nanomboka ny desambra 2019 hatramin’ny volana jona 2022 no nanatanterahana izany, noho ny faha­tsapana fa nirongatra be ny isan’ny tranga VBG niseho teto amintsika.
Natokana ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, Androy, Vatovavy sy Fitovinany, Ana­la­manga ny tetikasa. Nam­pi­a­na ny faritra Anosy sy Atsi­na­na­na taty aoriana. Nifo­to­ran’ny asa ny fisorohana ny VBG tamin’ireo faritra voakasika. Miampy ny fandraisana an-tanana ireo niharany sy ny fanampiana azy ireo amin’ny lafiny sosialy sy toekarena. Nitondra fiovana ho an’ireo niharan’ny herisetra ny tohana natao izay narafitra ho paikady hifampizarana amin’ny mpisehatra rehetra momba ny VBG.
Nisongadina indrindra ny fanomezana tohana ara-tsaina sy fikarakarana ara-pahasalamana vehivavy 18 800 niharan’ny herisetra. Nampiana teo amin’ny lafiny lalàna koa izy ireo. Nahatratra 427 ireo notohanana tamin’ny fananganany asa mitondra loharanom-bola maharitra (AGR). Nandritra ny faharetan’ny tetikasa, 350 ny raiamandreny ara-drazana sy olobe ary mpitondra fivavahana nanohana ny asa natao, araka ny fanazavana. Minisitera maromaro no nifarimbona nanatanteraka ny asa teny ifotony.

Nofanina ireo mpisehatra
Nomena fiofanana ireo mpisehatra teny ifotony. Nisy 200 niofana momba ny fitantanana ny trangana VBG sy ny dingana rehetra amin’ny fandraisana an-tanana. Tafiditra anatin’izay ny fitsaboana, tohana ara-tsaina, torohevitra momba ny lalàna. Noezahina noraisina tamin’ny toerana iray ny sehatra rehetra mba tsy hampivezivezy ny olona niharan’ny herisetra sy hanamora ny tohana. Nampiavaka ny tetikasa ny fampandraisana andraikitra ny lehilahy amin’ ny fisorohana sy ny ady amin’ ny herisetra atao. Nametraka ny vondron-dehilahy mampanaja ny zon’ny vehivavy sy manentana ireo lehilahy mitovy aminy momba ny miralenta ny tetikasa.
Tany Manakara, 100 ny trangana herisetra nokarakaraina tao amin’ny foibe misahana ny VBG nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny volana jona 2022. Niainga avy amin’ny vondron-dehilahy mpi­sehatra tany anivon’ny fokontany no nahafantarana ireo tranga ireo. 12 ny vondron-dehilahy nijoro hatra­min’izao.

Vonjy A.

Partager sur: