Miroborobo ny varotra an’ireo kit anti-delestage hatramin’ny niandohan’ny fahatapahan-jiro lavareny. Misy fotoana tsy maharaka ny entan’ireo mpivarotra.
Anisan’ny tsena nahazo vahana tao anatin’ny andro vitsy ny varotra ireo karazana kit anti-delestage enti-miatrika ny fahatapahan-jiro isan’andro. Miroborobo fatratra ny tsena. Manomboka amin’ny 10.000Ar ka hatramin’ny 300.000Ar ny vidin’ny kojakoja mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Tsy vitsy ny tokantrano mirona amin’ ny fividiana ireo karazana kit. Tombony, mitsitsy kokoa sy sahaza ny fahefam-bidin’ny rehetra izany. “Izahay manokana nisafidy ny hampiasa ireo kit anti-deletsage noho izy mora ampiasaina. Tsy mandany izy raha oharina amin’ny fividianana labozia isan’andro no azo isorohana amin’ ny loza mety hiseho toy ny haintrano”, hoy ny fanazavan’i Remy, raim-pianakaviana iray. Notohizany fa betsaka lavitra ny vola lany raha mividy labozia isan’andro. Manatombo ny vola mivoaka andavanandro ihany koa ny fampiasana izany.
Tsy maharaka
Be mpitady ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Misy fotoana tsy maharaka filana ny tolotra. Misy ny mpanjifa mamandrika entana mialoha. “Tsara noho ny isan’andro ny tsena hatramin’ny niandohan’ity delestazy ity. Misy fotoana tsy maharaka intsony ny entana ka voatery maka any amin’ireo magazay namana izahay”, hoy ny mpivarotra iray. Nambarany fa tsy mifidy saranga ny mpanjifa tonga manatona ny tsena.
Ankoatra izay, tsy mbola fantatra ny hiafaran’ny fahatapahan-jiro. Miezaka mitady vahaolana hiatrehana izany ny tokantrano tsirairay.
Henintsoa Hani