Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, ny lisitry ny mpilalao 12 mandrafitra ny Ankoay, hiatrika ny “World Cup U19”. Ankoatra ny mpilalao avy eto an-toerana, hisy avy any Frantsa hanatevina ny ekipam-pirenena malagasy.
Araka ny hita ao anaty lisitra, hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay de Madagascar, taranja basikety U19, i Yves Victorien Léon Emmanuel sy Raolompanantena Thesbon Syney, avy any Frantsa. Izy ireo no hisolo ny toeran’i Davida sy i Tokiniaina, tsy tafiditra tao anatin’ireo mandrafitra ny Ankoay.
Tsy niova fa ireo mpanazatra nitondra ireto mpilalao malagasy ireto tamin’ny Afrobasket 2022 ihany no hitondra azy ireo amin’ity fiadiana ny amboara eran-tany U19, hotanterahina any Debrecen Hongrie, ny 24 jona – 2 jolay, ity. Ahitana an-dRandria Aimé sy Razazarohavana Malalatiana izany.
Araka ny vaovao voaray, hanainga eto Madagasikara hihazo an’i Hongrie ny delegasiona malagasy, ny 13 jona. Hahafahana manomana tsara any an-toerana no anton’ny fiaingana mialoha. Mitohy sy mihamafy kosa ny fanazarantena hataon’izy ireo eto, mandrampahatonga ny fotoana handehanana izay.
Tsiahivina fa i Madagasikara sy i Egypta no solontenan’ny ekipa Afrikanina, mandritra ity fifaninanana eran-tany ity. Ao amin’ny vondrona B ny ekipam-pirenena malagasy, miray vondrona amin’izy ireo ao i Etazonia, i Liban, i Slovenia.
Mi.Raz
1-Mathias M’Madi
2-Yves Victorien Léon Emmanuel
3-Michael Fabrizio Heritiana
4-Randimbiarivelo Rino
5-Richard Be
6-Rakotonanahary Landric Donovan
7-Mariano Sylvain Tovolalaina
8-Raolompanatena Thebson Syney
9-Rabibisoa Jerry Peppin
10-Laurent Tahintsoa O’Neal Tsihindiny
11-Andriantsiferana Levah Mirando
12-Andriatsarafara Lovasoa Ny Aina
Mpanazatra: Randria Aimé sy Razazarohavana Malalatiana