Fanajana ny tontolo iainana : ampiana hanodina ny fako ny tanora

Mbola tsy vitan’ny Malagasy ny mikarakara ny fako miparitaka eto Antananarivo. Manampy ny tanora hanodina sy hampihena ny fako ny Crs Madagascar manoloana izany.

Notanterahina tetsy amin’ny Université catholique de Madagascar (Ucm) Ambatoroka, ny tetikasa: “change makers”. Hetsika nokarakarain’ny Catho­lic relief services (Crs), niaraha-niasa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka taminy. Nandraisan’ny tanora mpilatsaka an-tsitrapo (18 hatramin’ny 27 taona), eo anivon’ny fikambanana sy ny orinasa miankina sy tsy miankina anjara. Tanjona ny hitantanana ireo fako miparitaka manerana ny faritr’Anta­na­na­rivo, amin’ny alalan’ny fanesorana sy fanodinana azy ireny, raha ny fanazavana.
«Lahasa iray, hanentanana ireo tanora malagasy handray andraikitra ho olom-pirenena vanona amin’ny fikojakojana ny fako eto Antananarivo izany”, hoy ny tomponandraikitry ny tontolo iainana sy ny fiovaovan’ny toetr’andro eo anivon’ny Crs Madagascar, Ravonjiarivelo Rado.
“Mbola betsaka ny toerana ahitana fako eto Anta­na­narivo”, hoy izy. No­la­za­iny fa mbola sarotra, tsy vitan’ny mponina eto an-toerana ny mikarakara azy ireny. Ny fahatsapana izany no antony nanaovana ny hetsika ho fanentanana sy fitarihana ny tanora mba handray andraikitra, sy hijery ny hitantana ny fako eny anivon’ny fokontany misy azy ireo tsirairay avy.

Hofanina ny tanora
“Endriky ny fikojakojana ny fako ny fampianarana ny tanora hahay hanodina, hamerina hampiasa ary hampihena ny karazana fako misy”, hoy hatrany izy. Na­hazo fiofanana indroa miantaona ireo change makers niarahana tamin’ny orinasa tri-sélectif des déchets. Nam­pi­a­na sy natoro hanodina ny fako ho lasa akora plastika vaovao azo ampiasaina izy ireo amin’izany. Teo koa ny fanodinana ny taratasy hivadika akora hafa azo ampiasaina. Anko­a­tra izay, ampiana izy ireo ha­hafantatra ny fomba hafa fanodinana ny fako amin’ny endriny hafa. Mbola hitohy ny fiofanana omena ireo tanora voasafidy eny anivon’ny fo­kon­tany aoriana kely. An­koa­tra izay, omena fitaovana (kofafa, borety…) ihany koa izy ireo mba hahafahany mitarika ny asa sy mitantana ny fako eny amin’ny toerana mi­sy azy ireo. Tsy maintsy harahi-maso hatrany ny asa ata­on’ireo tanora ireo, raha ny fanazavana hatrany.
Nahitana hetsika maro sa­mi­hafa teny an-toerana (karazana lalao miompana amin’ny fanajana ny tontolo iainana, tranoheva, fanadiovana ny toerana, fametrahana dian-tanana ho an’izay vonona ho Ambasadaoro, fifampizarana sy vela-kevitra teo amin’ny mpikarakara sy ny tanora…).

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: