Nandritra ny «Sahobin’ny mpikabary» notanterahin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma), omaly, tao amin’ ny Carlton Madagascar, etsy Anosy, no nanasongadinan’ Andriamboavonjy Hanitriniaina, filohan’ity fikambanana ity ireo dingana lehibe tontosa tao anatin’ny volana vitsivitsy sy ireo mbola hotanterahina atsy aoriana. Anisan’ny lehibe indrindra tamin’izany ny fifanekem-piaraha-misa eo amin’ ny Fi.Mpi.Ma sy ny Oniversite VID Stavenger any Norvezy. «Tombony ho an’ny taranaka fara aman-dimby sy ireo liana amin’ny kabary ny fametrahana ny kabary malagasy ao amin’ny arsiva satria voaaro sy voakajy ny kabary malagasy, mifanindran-dalana indrindra amin’ izany ny fiarovana ny maha vakoka azy», hoy ny filohan’ ny Fi.Mpi.Ma. Napetraka tany an-toerana ireo boky aman-gazety sy takelaka mirakitra kabary, ny momba ny fikambanana sy tahirin-kevitra samihafa. Tao anatin’ny iray volana sy tapany ihany koa no nitetezan’ny birao foiben’ny Fi.Mpi.Ma notarihin’Andriamboavonjy Hanitriniaina ireo sampana any Eoropa sy ny manodidina ka nandrehetana ny fanilo faha-60 taona.
Mbola asa lehibe miandry ny Fi.Mpi.Ma kosa ny fananganana ny trano ho foiben-toeran’ny fikambanana atsy ho atsy. Fantatra fa ezahan’ny fikambanana ho toerana ahafahana mitahiry sy mikajy ary hivelaran’ny kabary malagasy no hatsangana.
HaRy Razafindrakoto