Nitsidika ny tany Maroantsetra sy Mananara Avaratra ny filoha Andry Rajoelina, ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ny nihaonany voalohany ny tao Anjahana. Maherin’ny 91% ny vato azony manerana ny distrikan’i Maroantsetra tamin’ny fifidianana. Nisaorany ny vahoaka ary nambarany fa anisan’ny fanamby ny hahatrarana ny fahaleovantena amin’ny sakafo. “Mahavita mamelona sy manome sakafo ny vahoakany ny tena filoha… Mahavita izany isika ary maodely”, hoy izy.
Namaly avy hatrany ny hetahetan’ny tanora ny tenany ka ho vita tsy ho ela ny kianja manara-penitra ao Anjahana. Nampanantena ny hanamboarana ny tohodrano ny tenany. Nomena moto ny ben’ny Tanàna amin’ireo kaominina manodidina. “Tsy maintsy hiady amin’ny fahantrana isika ary tsy maintsy resintsika izany. Hanampy anareo aho raha mbola izaho no eto”, hoy ihany ny filoha. Notsiahiviny fa nametraka ny fahefam-panjakana “Présence de l’Etat”, ny tenany tao anatin’ny efa-taona mahery ka fotodrafitrasa manakaiky vahoaka, ilain’ny vahoaka ary ampiasain’ny vahoaka no natao. Anisan’izany ny EPP ao Anjahana sy ny hopitaly ao Maroantsetra.
Lalan’ny masoandro
Efa napetraka koa ny vatofehizoro hanamboarana ny lalana RN5. Efa miainga ny lalana Soanierana Ivongo hatreo Mananara amin’ny alalan’ny tolobidy. “Ezahina hotohizana ho tonga aty Maroantsetra izany. Eo koa ny lalan’ny masoandro “Route du soleil”, miala any Mananjary ary ho tonga aty Maroantsetra”, hoy izy. Niantsoany ny firaisan-tsaina sy fiaraha-mientana hanavotana ny firenena izany. Nankasitrahany ireo depiote miisa 13 niara-dalana taminy tany an-toerana.
Nampanantena ny fianakaviana rehetra tsy mbola manana jiro ny filoha fa efa tonga aty Antananarivo ny “Kit solaires” ho azy ireo. Nitohy amin’ny fitokanana ny CSB II manara-penitra ao Soanierana sy Maroantsetra avy eo. “Mitondra soa ho an’ny vahoaka ny asa ataontsika Efa maherin’ny 200.000 ny zaza misitraka sekoly vaovao manerana ny Nosy. Tsy misy fitondram-panjakana nifandimby nahavita izany raha tsy isika. Tsy araka intsony ny mitokana EPP. Na izany aza mbola maro no tokony hatao”, hoy izy. Nijery ny fanatsarana ny lalana sy ny Avenue ao an-toerana ny filoha Andry Rajoelina avy eo. Nanolotra sambo haingam-pandeha sy salotr’aina na “gilet de sauvetage” ho an’ireo mpanjono koa izy.
Momba ny lavanila, nambarany fa hiaro ny tantsaha sy hampiroborobo io sehatra io ny tenany. Nohalalahana ny fandraharahana lavanila izao ary hamoraina ny fanomezana ny agrément.
Hatao faritra faha-24
Nambaran’ny filoha, hatao manomboka izao ny pitsopitson’ny taratasy rehetra hahazoana faritra mahaleo tena iarahan’ny Mananara Avaratra sy Maroantsetra. Hatolotra ny parlemantera ny haha faritra faha-24 ireo distrika ireo. Nohamafisiny tamin’ny lahateniny fa hamboarina ny tetezana ao Saharamy sy ny any Antanambao Be any Mananara Avaratra. Nahazo moto koa ireo ben’ny Tanàna. Hahazo “Kit solaires” ny ao amin’ny distrika. Notokanana ny CSB II, ho amboarina ny kianja manara-penitra sy ny hopitaly ao an-toerana. Hapetraka ny Lapan’ny fitsarana sy ny biraon’ny fananantany, araka ny nambaran’ny filoha. “Mora ny mampanantena, fa sarotra ny manatanteraka. Fa isika dia sady mampanantena, no manatanteraka”, hoy ny filoha.
Synèse R.