Fonjan’Antanimora : misy gadra nefa tsy voasoratra anaty kahie

Nidina tampoka teny amin’ny fonjan’Antanimora ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, afakomaly. Hita tamin’izany ny lesoka eo amin’ny fanoratana ny gadra anatin’ny kahie mirakitra ny anaran’izy ireo.

Tonga nanamarina tampoka ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny fonjan’Antanimora ny mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, minisitry ny Fi­tsarana, Randriamanan­tena­soa Landy Mbolatiana. Nia­raka tamin’ny delegasiona avy amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antanana­rivo sy ny PAC ary ny Kabi­netrany, afakomaly. Tamin’ny 10 ora sy sasany alina, nijery ifotony ny lisitry ny voafonja mamita sazy ao an-toerana izy ireo.
Nohamarinina tamin’izany raha toa ka misy ireo misazy tsy hita ao am-ponja amin’ny alina kanefa anaty lisitry. “Voamarina fa tsy nisy io tranga tamin’ny alalan’ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny Fitsarana sy ny Mpiara-miasa aminy io”, hoy ny tomponandraikitra ao anivon’ny Fonjan’Antanimora, omaly. Ny nifanohitra tamin’izany no hita, araka ny tatitra avy amin’ny ministera. “Misy ny voafonja kanefa tsy voarakitra anaty kahie”, hoy ny fampitam-baovao.
Nanome baiko hentitra ny minisitra ho an’ny mpitantana ny fonja mba hanaraka ny fomba vaovao efa napetraka. Anisan’ireny ny firaketana ny anaran’ny voafonja, ahazoana manavaka tsara efa voatsara sy ny tsy mbola voatsara. Tetsy ankilany, natsidik’ity farany koa ny fampitoviana ny zon’ny olona voafonja rehetra, amin’ny lafiny toerana famonjana sy ny fanaovana asa ivelan’ny fonja. “Izay mahafeno ny fepetra voalazan’ny lalàna ihany no afaka homena alalana amin’izany”, hoy izy. Tsy maintsy manara-dalàna ny fanomezana alalana manokana raha toa ka misy antony lehibe tsy maintsy hivoahana ny fonja.

Tsiferana R.

Partager sur: