Lehilahy roa hita faty, tsy nisy loha intsony tany Ejeda, afakomaly. Tsy fantatra mazava ny zava-niseho. Anatin’ny fanadihadiana ny zandarimariam-pirenena.
Nampihoron-koditra ! maty nisy namono tamin’ny fomba feno habibiana ny lehilahy roa, samy sahabo ho 40 taona mahery. Tsy fantatra mazava ny antony namonoana azy ireo. Razana tsy nisy loha intsony no hitan’ny mpandalo tao Antsevantseva- fokontany Ankilimalangy, Kaominina ambanivohitra Ejeda, distrika Ampanihy-Andrefana, afakomaly tamin’ny 2 ora sy sasany. Nanaitra ilay renim-pianakaviana nandalo ny ra nameno ny arabe. Nihiakiaka sy niantso vonjy tamin’ny manodidina avy hatrany izy.
Nijery ifotony ny zava-nisy niaraka tamin’izy ireo ny mpitandro filaminana. Tsy lavitra ny toerana nihosin-dra no nahitana razana roa, tanaty lavaka. Nozahan’ ny mpitsabo avy eo anivon’ ny CSBII ao an-toerana, na tsy hita aza ny lohan’izy ireo, notombanan’ny mpitsabo fa manodidina ny 40 taona ny iray raha toa ka 45 taona eo hoe eo ilay namany.
Samy tsy nisy nahafantatra azy ireto ny fokonolona. Nentina nihazo ny tanàna hiandry ny fahatongavan’ ireo milaza azy ho fianakaviany ny vatana mangatsiakan’izy mirahalahy ireto.
Manoloana ity vono olona mahatsiravina ity, anatin’ ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana izay tarihin’ ny zandary ao amin’ny Tobim-paritra Ejeda. Tsy fantatra mazava hatramin’ izao ny antony namonoana azy ireo. “Ny lohan’izy ireo izay tsy hita teo amin’ny toerana nisy ny vatany intsony. Ahiana ho nataon’olon-dratsy sorona izy ireo”, hoy ny mpanao famotorana, azo an-telefaonina, omaly. Manampy ny zandary any an-toerana, amin’ny fikarohana ny marina sy izay nahavanon-doza ny eo anivon’ny Dinabe, ankehitriny.
Tsiferana R.