Karate – “Coupe du Président” : nampiseho ny fahaizany ry Rajaonarison

Tsy misy taona ary tsy misy fetrany ny fanatanjahantena, fa rehefa ao anaty dia ahitana vokatra tsara. Anisan’ny mpikatroka ni­son­gadina sy nampiseho ny fahaizany, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny filoha, farany teo, Rajaona­rison Gallie CN 4è Dan (50 taona), 33 taona nanaovana karate tao amin’ny Akka Tsaralalana.
Tompondaka sokajy Vétéran (+45 taona) izy nandritra ny “Coupe du Président”. Mpampianatra Karate-do ao amin’ny Akka Avaradrano sy Ma­hitsy ny Sensei Gallie. Anisan’ny nisongadina iha­ny koa Rajaonarison Christian Finoana CN 1er Dan. Tompondaka sokajy Senior, latsaky ny 60 kg, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny filoha farany teo. Manentana ireo mpikatroka taloha izy ireo mba hanohy ny fanazarantena sy ny fampianarana ireo taranaka aty aoriana.

Mi.Raz

Partager sur: