Kick-boxing – «Les ceintures des champions»: laharana faharoa i Madagasikara

Tontosa ny sabotsy 3 jona lasa teo, tatsy Maurice, ny fifaninanana “Les ceintures des champions”, taranja kick-boxing. 9 mianadahy no nisolo tena an’i Madaga­sikara izay tsy nampitsanga-menatra raha ny vokatra azo. Laharana faharoa no nisy ny firenena malagasy rehefa nandrombaka medaly volamena 5 tamin’ireo katrok’ady miisa 12.
Firenena 4 no nandray anjara, nahitana an’i Mau­rice, i Afrika Atsimo, Turquie ary i Madaga­si­kara. Nampiaiky ny filohan’ny kaonfederasiona afrikanin’ny kick-boxing ny fahaiza- manaon’ny mpikatroka malagasy. Anisan’ny niavaka tamin’ireo mpifaninana rehetra mantsy ny teknika sy ny fomba fia­din’ireo Malagasy na teo amin’ny sokajy vehivavy izany na ho an’ny lehilahy. Vokatr’izay, mikasa ny hikarakara “combat pro” eto Madagasikara, ity tomponandraikitra voalohany amin’ny kick-boxing eto Afrika, ity. Andrasana araka izany ny fotoana sy ny fankatoavan’ny mpikambana rehetra izany.

Mi.Raz

Junior
48kg: Oudin Anne Lee (Maurice)

Seniors
67kg :Lahamahavonjy Birinod (Madagascar)
60kg: Randriamasiniaina VLadis Duco Osman (Madagascar)
56kg vehivavy: Rakotoarison Sandra ( Madagascar)
63,5kg : Nambininjanahary Star Mostepha ( Madagascar)

Seniors
57kg: Riley Jude (Maurice)
63.5 kg: Randrianjafy Joël ( Madagascar)
Seniors
54kg: Robertson Warren (Maurice)
Combat WAKO Pro ceinture
– 52,7kg : Dinally Cédric (Maurice)
-56kg:Annaelle Coret (Maurice)
– 54,5kg : Fabrice bauluck (Maurice).

Partager sur: