Kitra any Frantsa: nidina «Ligue 2» ny ekipan’ i Rayan Raveloson

Ratsy fiafara ny ekipan’ i Rayan Raveloson, Mala­gasy mpilalao baolina kitra ao amin’ny AJ Auxerre Frantsa. Nivarina any
amin’ny diviziona faharoa «Ligue 2» izy ireo, rehefa lavon’ny RC Lens tamin’ ny isa 3 no ho 1, ny sabtsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Auxerre. Araka ny fikarohana natao, miisa telo ny baolina tafiditr’ i Rayan, nandritra ny lalao 34 nataony tao amin’ny fifanintsanana izay ho tompondakan’i Frantsa «Ligue 1», raha toa ka roa, ny tamin’ny fiadiana ny am­bo­aran’ny Frantsa «Coupe de France».
Tsiahivina fa efa tao amin’ny “ligue 2” i Rayan, fony izy mbola nilalao tao amin’ny Estac Troyes. Ity ekipa niangany ity koa , nivarina any amin’ny diviziona faharoa. Ankoatra ny Auxerre, Estac Troyes, dia manaraka ny dian’izy ireo ny SCO Angers sy ny Ajaccio.
Marihina fa, tsy ao anatin’ny lisitry ny Barea Ma­dagasikara hihaona amin’ ny Black Star Ghana, ny 18 jona ho avy izao, etsy Mahamasina, i Rayan Ra­ve­loson, noho ny fitera­han’ny vadiny. Na dia nivarina tany amin’ny “ligue 2” aza i Rayan, resy lahatra avokoa ny tao Frantsa fa manana ny traikefa tsara ity kintan’ny baolina kitra malagasy ity.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: