« Ligue des Champions W 2023»: tompondaka ny vehivavy Barcelone

Norombahan’ny Barcelona, Espaniola ny amboara nandritra ny ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa «Ligue des Champions 2023» (LDC), taranja baolina kitra. Lavon’ireto ekipa vehivavy espaniola ireto, tamin’ny isa 3 no ho 2, ny Vfl Wolfsburg Alemana. Izany dia notanterahina tao amin’ ny kianjan’ny Philips Stadium, ny sabotsy 3 jona lasa teo. Raha hiverenana ny lalao, ny rainiboto no nitarika tamin’ny isa 2 no ho 0, nandritra ny fizaram-potoana voalohany, baolina tafiditr’i Ewa Pajor, teo amin’ny minitra fahatelo, sy i Alexandra Popp, minitra faha-37. Teo amin’ny fidirana faharoa, nosahalain’ny espaniola ny isa, rehefa nakoban’i Patricia in-droa ny harato, ( ny 48 min, ny 50 min). Ilay baolina tokana tafiditr’i Fridolina no nahazoan’ny FC Bar­ce­lone fandresena, tamin’ny isa tery 3 no ho 2.
Araka io, tratran’ny Re­montada ny mpilalaon’ny Wolsburg, na dia efa niezaka niaro tena aza. Hita fa manana herijika tanteraka ny mpilalaon’ny Espaniola, porofon’izany ny nahazoan’izy ireo possession 66 %, raha toa ka 34 % ny an’ny Alemana.
Ankoatra izay, tsara ihany ny mampahatsiahy fa hotanterahina ny 10 jona ho avy io, ny famaranana ho an’ny lehilahy. Lalao izay hikatrohan’ny Inter Milan, Italianina sy ny Manchester City, Anglisy, any amin’ny kianjan’ny Istanbul.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: